<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>747</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Haleloia ! Sambasamba !
 Hitanay ny taom-baovao;
 Avy izahay, Jehovah !
 Mba hifaly aminao ;
 Fihirana no atao,
 Saotra, vavaka,
 No atolotray Anao,
 Ry Mpamelona !
 Haleloia ! Sambasamba !
 Faly izahay izao :
 Haleloia ! Sambasamba !
 Hitanay ny taom-baovao.

[V2]
 Lasana ny andro maro,
 Be ny zavatra natao,
 Na ny mety, na ny diso,
 Samy efa fantatrao ;
 Aoka anie ny tsininay
 Hovonoinao,
 Fa ny mety vitanay
 Mba haharitra :
 Haleloia, ..sns.

[V3]
 Ka ny taom-baovao, Jehovah !
 Aoka hanomezanao
 Fahendrena ny mpitondra,
 Hahasoa ny olonao ;
 Ka ny Fiangonana
 Hamasinonao
 Mba handroso marina
 Hahalala Anao:
 Haleloia, ..sns.

[V4]
 Mitsingerina ny taona,
 Fohy andro izahay,
 Vetivety dia hihaona
 Aminao, ry Tomponay !
 Enga ka ho hitanay
 Ao an-danitra
 Ny Sabata tsara izay
 Tsy ho tapitra :
 Haleloia, ..sns.</lyrics>
<title>Haleloia! Sambasamba! FFPM747</title>
</song>